- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversRN5 : Mpandeha môtô maty tsy tra-drano

RN5 : Mpandeha môtô maty tsy tra-drano

Ny niafaran’ny moto nentiny.

Maty tsy tra-drano ity rangahy nitaingina môtô raha nofaohin’ny fiara nandeha mafy tamin’ny lalam-pirenena faha-05, tsy lavitra ny seranam-piaramanidina. Lozam-pifamoivoizana nitranga ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 05ora hariva, raha avy niantsena ny sakafon’ny fianakaviany tao Ivoloina ny tenany tamin’io. Raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso ity lozam-pifamoivoizana ity, dia fiarabe iray avy any avaratra nihazo an’i Toamasina reivohitra no nahavanon-doza izao raha nandeha mafy noho ny lalana mahitsy. Betsaka mpampiasa moa ny lalana rehetra ny sabotsy tolakandro noho ireo mpifankatia sy ireo mpinamana ary ireo fianakaviana mamonjy fivoahana kely ny tanana ao Ivoloina, sy ao Vohidrotra, ary ao Ambodiatafana, ka noho izay fahabetsahan’ny olona nampiasa ny lalana izany, nefa tsy nandeha mora ity fiarabe, ka teo ampialana ireo sakana ireo izy no tsy nahatana intsony ny familiana ka ity raim-pianakaviana nandeha môtô ity no nofaohiny izay nipitika 15m mihitsy vao tafajanona ary potika tanteraka ny môtô nentiny nandritra izany. Notanan’ny polisy avy hatrany ilay fiarabe sy ny mpamily azy noho ity lozam-pifamoivoizana niteraka faty olona ity, nefa raha ny vaovao voaray, dia efa misy sahady ny mpanelanelana amin’ity raharaha ity izao, saingy milaza ny tsy hanaiky ho vita mora tamin’ny nahafaty ny havany ny fianakavin’ity raim-pianakaviana maty ity. Tsy sambany anefa izao lozam-pifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-05 eo anelanelan’ny tobin-tsolika Jovenna sy Ampilaolava ity, fa saika isaky ny sabotsy na ny alahady dia misy hatrany izany, saingy ao ny mahafaty olona, ao kosa ny miteraka faharatrana sy fahasimban-javatra fotsiny; tahaka ity nitranga ny 17 desambra ny taona lasa izay mpirahalahy no indray maty noho ny fandonan’ny fiara netina  karana nandefa mafy azy ireo; izay niteraka olana teo amin’ny zandary sy ny polisy ny fisahanana ny raharaha.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici