Loza mahatsiravina no nitranga tamin’ny lalam-pirenena fahadimy iny, izay mampitohy an’i Fenerivo atsinanana sy Soanierana Ivongo, ny talata 22 desambra teo tokony tamin’ny 10 ora misandratr’andro iny. Teo anelanelan’ny tanàna antsoina hoe Manankatafana sy Ambalakondro no nisehoan’ity lza mahatsiravina ity araka ny vaovao avy any an-toerana. Fiara taksibrosy manao fitaterana mimpitohy iny zotrav mianavaratra i Fenerivo Atsinanana no tra-doza noho ny tandrevaky ny mpamily sy ny fandehanana mafy amin’ny fanenjehana isa sy ny vola miditra. Maika ny hisongona ny olana ka teo no niseho ny tsy nampoizina, satria ny fiara iray avy any Soanierana Ivongo hiazo an’i Toamasina, ilay fiara iray afa kosa avy ao Fenerivo Atsinanana hiazo an’i Soanierana Ivongo ka nifanehitra ny fiara roa. Vokatra izany dia olona niisa 19 be izao no naratra, ka ny 14 tamin’izany voatery nentina notsaboina tao amin’ny hopitaly ben’ny Fenerivo Atsinanana. Ny 05 kosa araka ny loharanom-baovao dia nentina teo anivon’ny CSBII tao Ampasimbe Manantsatrana notsaboina. Rangahy iray izay isan’ny mpandeha tamin’ireo taksiborosy ireo kosa no maty vokatry ny hamafin’ny fifandonana rehefa tonga teny amin’ny hopitaly ben’ny Fenerivo Atsinanana. Ny mpandeha 03 ihany koa dia mbola ahiana ny fahasalamany vokatra io fifanodanana mafy teo amin’ny fiara roa nifanena io. Raha vao nahare ny lozam-pifamoivoizana ity ny governora tany an-toerana dia avy hatrany nitondra ny voatsirambin’ny tanany nanampiana ireo naratra eo anivon’ny hopitaly ben’ny Fenerivo Atsinanana, ka nandritra izany koa no nilazany fa “tsy maintsy handraisana fepetra ireo fiara mpitatitra olona tsy manaja ny lalan’ny fifamoivoizana noho ny fanenjehana mpanjifa sy ny vola miditra ity, satria mitera-doza izany ka izao iarahantsika mahita izao ny vokany izay hamoizana ain’olona tsy manan-tsiny mihintsy amin’izao ankatoky ny fety izao”.
Malala Didier