Miverina mamely indray ny asan-dahalo manokana misandoka ho mpandeha ka mikendry entana entina ambony « porte-bagage » eny amin’ny lalam-pirenena, indrindra amin’ny RN5 sy RN2. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, nahazo vahana indray ny fomba fiasa ataon’ireo olon-dratsy: miakatra an-tsokosoko eny ambonin’ny fiara mpitatitra, manapaka fatorana na manapaka “sangle”, ary manararaotra maka izay entana vitany alaina. Araka ny fanamarihan’ireo mpitatitra, matetika ireo jiolahy dia miandry faritra maizina sy somary tsy dia be olona, indrindra amin’ny toerana be kirihitr’ala na amin’ireo fihodinana lavalava. Rehefa mihena ny hafainganam-pandehan’ny fiara na mijanona vetivety izy, dia maika izy ireo miakatra eny ambony ka maka ny entana voatondro. Ny sasany aza tsy misalasala mamely na manohintohina ny mpamily sy ny mpanampy rehefa tratra ambodiomby. Vokatr’ity karazana halatra miverimberina ity, mitombo ny tahotra sy ny tebitebin’ireo mpitatitra sy mpandeha, indrindra amin’ny alina. Efa maro ireo tompon’entana no tsy nahazo intsony ny kitapo, valizy na entana sarobidy nalain’ireo mpangalatra. Misy amin’izy ireo ny nandefa fitarainana tany amin’ny mpitandro ny filaminana saingy mbola tsy mitsahatra ny trangana halatra. Nambaran’ny manampahefana fa hampitomboina ny fisafoana amin’ireo faritra mena, ary hanaovana ezaka manokana ny fametrahana paikady hiadiana amin’ity asa ratsy ity. Mamporisika ny mpandeha sy ny mpitatitra ihany koa izy ireo mba hitandrina bebe kokoa, hamafisina tsara ny fatorana entana, ary hifandray haingana amin’ny tompon’andraikitra raha vao misy tranga mampiahiahy. Mandritra izany fotoana izany, mitohy ny asa ratsin’ireo mpangalatra manararaotra ny lalam-pirenena. Ny fanamafisana ny fiarovana sy ny fitandremana no hany antoka hiarovana ny entana sy ny ainy eny an-dalana.
D.R




