Mitera-doza avy hatrany raha sendra ny mpamily tsy malina na koa tsy mahita lavitra. Lavaka be no nateraky ny fihotsahan’ny arabe eo amin’ny 90 kilaometatra tsy hidirana an’Antsohihy. Halatra bizo no antony ary hita mivandravandra rahateo avy eo ambony arabe ny toeran’izany, izay lasa banga tanteraka. Olona sendra nandalo ka afa-doza rehefa tsy nilatsaka tao no nahatsapa fa mety ho olana ho an’ny hafa io ampahan’arabe mihotsaka io. Nanapa-kevitra izy ireo ny nametraka marika mba ho fanairana izay mandalo manaraka ka ho fiarovana azy ireo.
D.R