Olona telo voalaza fa mpanao fanafihana sady mpanakan-dalana no naiditra am-ponja vonjimaika ny alarobia teo. Voasambotry ny zandary taorian’ny fanafihana fiara sprinter iray tany amin’ny lalam-pirenena faha-6, eo amin’ny 5km hidirana ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Anahidrano, PK 253 + 500 izy ireo. Araka ny fanazavan’ny zandary, ny alatsinan’iny heriny tamin’ny 1 ora sy 40 mn maraina, dia nisy fiara taxi-brouse sprinter avy any Antananarivo ho any Ambanja nisy nanakana. Raha vao nijanona ny fiara dia notsenain’ireo jiolahy izay nivoaka avy tany anaty kirihitrala tamin’ny tora-bato ka vaky ny fitaratra aoriana sy ny fitaratra efatra amin’ny sisiny havia. Norahonana tamin’ny lefona ny mpamily ka lasa ny lelavola 800.000 Ariary.
Ny jiron’ny fiara iray hafa tonga avy any avaratra no nampitsoaka ireo jiolahy. Nidona tamin’io fiara io anefa ilay sprinter noho ny fahatairan’ilay mpamily.
« Ny fikarohana natao no nahasaronana olona telo tamin’ireo jiolahy ny andron’io ihany. Tadidin’ilay mpamily soamantsara ny endrik’ilay jiolahy nanambana lefona azy, isan’ireo voasambotra. », hoy ny fanazavana. Rehefa natao ny famotorana dia fantatra fa anisan’ireo mpanafika izy ireo. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany. Mitohy hatrany ny fiambenana ny làlana mba ho voaaro ny vahoaka sy ny fananany, hoy ny eo anivon’ny zandary.
Yv Sam