- Publicité -
mercredi, décembre 10, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN6 : Mpandeha maty tao anaty taxi-brousse

RN6 : Mpandeha maty tao anaty taxi-brousse

Nitranga tao anatin’ny zotra nasionaly mampitohy an’i Diego-Suarez sy Antananarivo ny loza tsy nampoizina nahazo ny mpandeha vehivavy iray. Araka ny fitantaran’ireo olona niara-dia taminy, dia mbola salama tsara izy nandritra ny ampahany lehibe tamin’ny dia. Teo am-pidirana an’Ampanotokana anefa, tsy lavitra ny tanàna, no tampoka teo dia tsy nihetsika intsony. Nojerena akaiky efa tsy nisy aina intsony ilay ramatoa. Nilaza ny vadiny, izay nipetraka teo anilany nandritra ny dia, fa nitaraina ho hafahafa ilay ramatoa, minitra vitsy talohan’ny tranga. Niezaka namoha azy izy rehefa tsikariny fa tsy nihetsika intsony, saingy tsy nisy valiny intsony izany. Rehefa nojeren’ny mpiasan’ny fahasalamana – satria noezahina nentina toeram-pitsaboana ihany mba nialàna nenina – dia nolazaina fa fijanonan’ny fo tampoka no nahafaty ilay vehivavy. Tsy nisy soritra ratra na famantarana herisetra hita tamin’ny vatana, ka mbola manamafy ny vinavina sy ny tombana momba ny olàn’ny fo. Ontsa ny iray taxi-brousse izay niray zotra taminy. Nifanampy ireo olona saingy tsy maintsy notohizana ihany ny dia rehefa nilamindamina ny momba ny razana. Efa nisy ihany ny tranga toy izao ary vao tsy ela akory aza teto an-drenivohitra no nisy mpandeha taxi-be izay natory tsy nifoha. Efa teny amin’ny fiantsonana faran’ny fiara fitaterana izy no nisy nahatsikaritra fa tsy nihetsika intsony.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici