Noezahin’ireo tontakely nafenina tao anatin’ny gony misy ampombo ireto zava-mahadomelina, kanjo tra-tehaka ihany ny niafaràny. Tranga niseho teny amin’iny lalam-pirenena fahenina, tao amin’ny kaominina Ankerika, distrika Antsohihy, ny voalohan’ny herinandro teo.
Nihevitra angamba ireo olon-dratsy ireo fa tsy ho voasava velively ny entana. Na tapaka ho an’ny fiara mpitatitra aza mantsy ny lalana, mitohy hatrany ny fitondràna ny entana ary malalaka. Kanjo tsy izay no zava-nitranga, teo amin’ny «croisement»n’ny kaominina Ankerika. Natao toy ireo fiara rehetra efa nandalo tsy maintsy nosavaina ity fiara «fourgon» iray hizotra ho any Ambondromamy, rehefa tonga teo amin’ny sakana nisy ny zandary avy ao amin’ny «police de la route Antsohihy». Voalaza tamin’izany fa ampombo no nentin’ity fiara ity ary nahitàna gony maromaro tokoa tao anatiny. Nisy sasany tamin’ireto gony ireto anefa no nampiahiahy ary nasaina nosokafan’ireo nitondra azy teo no ho eo avy hatrany. Inona tokoa fa rongony maina, voafatratra sy voatetika ary vonona haparitaka no tao anatin’izany gony izany, izay mody nosesefana ampombo. «Tsy nahafitaka ireo zandary izay efa za-draharaha anefa izany», hoy ny fampitam-baovao. Rehefa nojerena avokoa ireo gony voalaza fa ampombo dia nisy enina tamin’izy ireo no nahitàna rongony. Milanja eo amin’ny 200 kilao eo izany, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary tany an-toerana hatrany. Nogiazana avy hatrany ny «entana» ary nentina natao famotorana ireo nitondra azy. Voalaza tamin’io fa any Ambondromamy no misy ny tompon’ireo rongony ireo, izay toerana hitondràna azy rahateo. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo mpanao fanadihadiana ka noraisim-potsiny ihany koa ity farany. Marihina, araka ny fampitam-baovao hatrany, fa manodidina ny 500 kilao eo ho eo ny rongony saron’ny zandary tany amin’iny faritra iny, hatramin’ny voalohan’ny taona.
Iaraha-mahalala fa mahavoasazy, araka ny fehezan-dalana famaizana misy eto amintsika ny fitondrana, fivarotana, fividianana ary ny fifohana rongony. Fanetriben’ny firenena ihany koa io zava-mahadomelina io ary isan’ny mahatonga ny tsy fandriam-pahelamana.
m.L