Lozam-pifamoivoizana roa karazana no nitranga teny amin’ny lalam-pirenena fahenina omaly. Ny voalohany dia fiara fitateram-bahoaka avy any Diégo ka hihazo an’andrenivohitra nivoaka ny làlana ary niafara tany anaty hantsana. Olona enina no naratra mafy vokatr’izany, raha araka ny vaovao azo. Vokatry ny torimaso fotsy nihatra tamin’ny mpamily no tena nitarika ny loza raha araka ny fanazavan’ny mpandeha. Nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana ireo ka ny roa no tena voa mafy raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo. Nandeha mafy ilay fiara, raha ny fitantaran’ny mpandeha hatrany, kanefa rendriky ny torimaso tampoka ny mpamily. Io farany ihany koa dia voa mafy satria nikirozaroza tanteraka ny tanany noho ny dona nanjo azy tao anatin’ilay lozam-pifamoivoizana. Tetsy Ankazobe indray dia fiara tsy mataho-dàlana, ireny V8 ireny, no nivoaka ny làlana ka nandratra ny olona tao anatiny. Raha ny fantatra dia nisy olona ambony tao anatiny ary voatery nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana faran’izay haingana.
D.R