- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Afenina etsy Isotry ny vy halatra avy any Behenjy

RN7 : Afenina etsy Isotry ny vy halatra avy any Behenjy

Nasesin’ireo olon-dratsy ny vy sy fotodrafitrasa misy vy, izay sendra azy ireo. Hatramin’ny tsato-by eny amin’ny kianja filalaovam-baolina aza dia tsy nananan’ireo antra fa notapahiny ary nobatainy. Toraka izany koa ny vy ipetrahan’ny famantarana eny amin’ny lalam-pirenena fahafito, izay najifa tsikelikely rehefa nalaina tsirairay. Sarona ihany ny tompon’antoka rehefa nandeha ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Teo amin’ny toby fiantsonana tao Antsapandrano, tsy mifanalavitra amin’Ambatolampy, ny telo lahy no voasambotra. Isan’ny sarona niaraka tamin’izy ireo, ary porofo ara-materialy ilain’ny fanadihadiana, ny tsofa vy izay fitaovana fanapahana ny entana alaina. Avy amin’ny nahazoana ireo telo lahy no nahazoana iray hafa indray. Nitohy ihany ny fanadihadiana ary nanoro ny trano fanaterana ny entana halatra ireo olona. Teo Ambalavao-Isotry ny natoro. Rehefa nosavaina dia hita ny vy aman-jatony isa ary isan-karazany. Tsy tratra tao kosa ny tompon-trano ary karohin’ny mpanao fanadihadiana ankehitriny. Mirongatra ny halatra vy ary matetika dia ny fotodrafitrasa no isan’ny lasibatra. Ny tetezana, ny lalan-drano, ny takela-by sy ny maro izay tsy misy miambina rehetra dia efa mora ho an’ireo olon-dratsy ny maka azy. Ny fandrosoan’ny indostria maneran-tany, indrindra fa ny any amin’ny tany mandroso no fototry ny olana. Mila vy izy ireo hahodina ary tsy maharaka intsony ny fanamboarana vy vaovao. Ny cuivre, étain ary plomb no tena matetika alaina ao anatin’ireo vy, ka atsonika aloha vao alefa any amin’ny trafika isan-karazany. Raha te handeha lalina izany ny fanadihadiana dia mila arahi-maso koa ireny karazan’orinasa ireny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici