Fiara lehibe iray mpitatitra entana misy ireny « remorque » ireny no may kila forehitra tamin’ny lalam-pirenena fahafito, teo anelanelan’Andranomanelatra sy Antsoantany Antsirabe II. Araka ny fampitam-baovao, entana ilaina andavan’andro no notaterin’ity kamiao lehibe ity, toy ny menaka, vary , siramamy, sns, hany ka mora nahazo vahana ny afo vantany vao nirehitra. Ny mpamily ihany no nahatsikaritra ny afo teny am-pandehanana, avy hatrany dia nanajanona ny fiara ity farany . Efa nahazo laka anefa ny afo ka nanala ilay “remorque” tamin’ny lohan’ny fiara no sisa azo natao. Niezaka namono ny afo sy namoaka entana ihany ny fokonolona teny amin’ny manodidina, saingy tsy nahefa firy noho ny herin’ny afo. Vary amin’ny kitapo am-polony no tafavoaka niampy sy entana vitsivitsy. Tamin’ny 7 ora maraina vao maty ny afo, raha toa ka tamin’ny 1 ora maraina no nanomboka ny firehetana, ny alatsinainy maraina teo no nitrangan’ity loza ity. Tsy fantatra mazava kosa ny anton’ny firehetana.
Andry N