Olona iray no maty , efatra hafa naratra mafy. Izany no vokatry ny fifandonana teo amin’ny « taxi brousse” Sprinter roa tao Bemololo-Andranomanelatra Antsirabe, ny harivan’ny sabotsy 2 Septambra teo. Araka ny vaovao, fiara Sprinter iray avy aty Antananarivo ho any Toliara no nandona fiara Sprinter iray nifanena taminy. Noho ny hamafin’ny dona dia nivadika tamin’ny ilany havia ilay fiara avy any Antsirabe. Fantatra fa, ny fandehanana mafy teo amin’ ilay fiara ho any Toliara no nahatonga ny loza. Ity farany izay voalaza fa tsy nijanona fa lasa nitsoaka nanohy ny diany nianatsimo ihany.
T.M.