- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Basy nafenina tanaty bodofotsy, nentina taxi-brousse

RN7 : Basy nafenina tanaty bodofotsy, nentina taxi-brousse

Fiara taxi-brousse iray handeha ho any amin’iny tapany Atsimon’ny nosy iny no nahatratrarana basim-borona, efa voaravara ary nafenina tao anaty bodofotsy, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Vao hitan’ireo tompon’ny basy kosa, izay olona telo teo,  fa nanomboka nisava ny entana ny zandary dia nitsoaka toy ny tsy teo izy ireo. Raha ny fampitam-bavaovao avy amin’ny zandary dia efa nisy ny tsiliam-baovao henon’izy ireo mahakasika ny fisiana olona mitondra basy tsy ara-dalàna amin’ireo taxi-brousse mianatsimo ireo. Napetraka avy hatrany fanakànana sy ny fisavàna. Teo amin’ny PK 615+600, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ikalamainty, kaominina Ambatolahy, distrika Ihosy,  no voasava ity fiara fitateram-bahoaka marika «Toyota » ity. Tao anatin’izany fisavàna izany no nahitàna karazana vy isan-karazany mifono bodofotsy. Rehefa tena nojerena tsara dia fantatra fa basy efa voaravarava. Nisy naman’ireo tompon’ny basy nandositra ihany moa voasambotry ny zandary ary efa anaovana famotorana. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireo tompon’ity basy ity, izay tsy fantatra hatreto na nokasaina hatao inona na saika hatao inona.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici