Mpino avy any amin’ny Toby Manolotrony Ambalavao no niharan-doza tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, omaly maraina, teo amin’ny toerana antsoina hoe Morarano, fokontany Miadamanjaka, kaominina Manjatompo, distrikan’Ambatolampy. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana dia tsy nisy ny aina nafoy. Na izany aza anefa, 11 tamin’ireo mpandeha no naratra mafy. Nisy zaza iray vao 10 taona monja tao anatin’izany.
Fiara « sprinter » iray, mpitatitra avy any an-toerana no nandehanan’ireto mpivavaka ireto, izay niainga tany Ambalavao ary nikasa hihazo an’Antananarivo. Nivadibadika imbetsaka ihany izany fiara izany ary niafara tany anaty hantsana tsy lavitry ny arabe. Potika hatrany amin’ny 80 isan-jato izany fiara izany, vokatr’izay. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza. Azo heverina anefa fa mety ho vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga izany, ary tsy voafehin’ny mpamily intsony ilay fiara. Azo eritreretina ihany koa anefa ny mety ho olana ara-teknika nisy teo amin’ny fiara na faharerahan’ny mpamily. Ity farany, izay fantatra moa, raha ny vaovao hatrany fa nitsoaka sy niala teo amin’ny toerana nisian’ny loza. Taorian’ny namonjena ireo naratra, izay efa samy nentina nihazo toeram-pitsaboana avokoa dia efa nandray an-tanana ny raharaha tamin’ny fanadihadiana ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambatolampy. Etsy andanin’izay kosa dia karohina fatratra ilay mpamily nitsoaka sy nahavanon-doza, izay tsy mbola hita tany nanjavonana hatramin’izao. Iangaviana araka izany izay mahafantatra ny misy azy na manam-baovao mahakasika izany mpamily izany mba hanatona ny biraon’ny zandary.
Fotoam-pialan-tsasatra tokoa izao. Marobe tokoa araka izany ny fivezivezena amin’ireo lalam-pirenena. Tsapa sy hita tato ho ato izay fa maro loatra ireo lozam-pifamoivoizana eny an-dalana. Tsy ela akory mantsy fa vao ny omalin’io no nisy loza nahatsiravina, nahafaty olona roa, sy naharatrana mpandeha 20 tamin’iny lalam-pirenena faha-34, mampitohy an’Antsirabe sy Morondava iny, teo Mandoto. Tsy mitsahatra ny mampitandrina ireo mpamily araka izany ireo tompon’andraikitry ny filaminana mba handehanana milamina fa indrindra ny mba hikojakojana tanteraka ny fiara, alohan’ny hiangana, hialàna amin’ny loza mety hitranga eny an-dalana.
m.L