Notazomin’ny zandary avy hatrany ny mpamily ilay fiara mpitondra mpizaha tany nanomboka ny antoandron’ny asabotsy teo. Ireo Italiana miisa 11 izay notateriny kosa dia tsy maintsy nafindra fiara hafa satria mbola hanenjika fodiana amin’ny fiaramanidina. Ny anton’izany dia ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga teo amin’ny lalam-pirenena fahafito (PK245+500), teo amin’ny fokontany antsoina hoe Tsarasarotra, ao amin’ny distrik’Ambositra. Ramatoa iray 51 taona izay handeha hody any an-tranony, ao amin’ny fokontany mitovy ihany, ka vao niala tamin’ny fiara fitaterana no voafokan’ilay mpitondra mpizaha tany. Ao amin’ny borigadin’ny zandary ao Ambositra no nanokafana fanadihadiana ny mpamily.
RN6
Taxi-brousse niala lavaka dia nivadika
Iray no maty vokatr’ity lozam-pifamoivoizana ity. Ny mpamily no maty tsy tsa-drano raha araka ny fanampim-baovao. Teo amin’ny fokontany Antanandava, distrikan’Antsohihy, no nisy taxi-brousse eo anivon’ny kaoperativa Fifiabe, izay niala lavaka tao anatin’ny fandehanana mafy. Tsy voafehy intsony ny fiara teo ary dia nilatsaka tany amin’ny hady rehefa nivoaka ny làlana. Naratra ny mpandeha miisa folo raha araka ny tatitry ny zandary. Isan’ny olana lehibe ho an’ny mpitatitra ny fitomboan’ny lavaka eny amin’ny lalam-pirenena na dia heverin’izy ireo aza fa efa fantampatany avokoa ny misy ireo tena atahorana. Na izany aza, rehefa ao anatin’ny fandehanana mafy dia mainka koa mitombo ny risika amin’ny mety hisian’ny loza rehefa miala lavaka.
D.R