Irony fiarabe « semi-remorque » fitaterana entana irony no nitondràna ireto olona an-jatony mahery avy any Vaingandrano, ho any Mampikony. Tra-tehaky ny pôlisy misahana ny fifamoivoizana tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny ny alahady teo, teo Alakamisy Ambohimaha.
Dia sanatria toy ireny inona ireny ireto olona an-jatony maro, 240 isa raha ny totaly nomen’ny zandary, nasesika tao anatin’ilay « conteneur » ary nosaritin’ilay fiarabe. Fandikan-dalàna tsotr’izao raha ny hita, na inona na inona antony, raha ny fanazavana azo, satria fiara natao hitondrana entana itony fiarabe itony fa tsy natao hitondràna olona velively ary henjehin’ny lalàna ny fandikàna izany. Raha ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy dia olona avy any amin’iny faritra Sofia, avy ao amin’ny distrikan’i Mampikony ireto olona ireto ary nandeha nanatrika fomba tany amin’iny distrika Vangaindrano iny. Nisy fiara, araka ny voalaza hatrany tamin’ny nandehan’izy ireo niala tany amin’ny toerana nisy azy, saingy nony niverina no nisy olana. Dia izao tra-tehaka tao anaty fiarabe izao ry zareo ireto. Raha ny vaovao azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny filaminana hatrany dia toa hoe nahazo taratasy fahazoan-dalàna manokana avy amin’ny Lehiben’ny distrika tao Vangaindrano ilay fiarabe, hitondra ireto olona an-jatony mahery hamonjy fodiana ireto. Tetsy andanin’izay ihany koa anefa, voalaza fa rehefa notsirihana ihany koa ny taratasy mahakasika ilay « semi-remorque » dia fantatra fa fiara voasazy ity fiara ity, satria dia tokony hiditra am-balan-tsazy tany Antsohihy izy io, rehefa voasakan’ireo zandary tany an-toerana. Tranga izay vao mainka mampitombo ny sazy mety ho azon’ny mpampiasa sy ny mpitondra izany fiara izany. Nogiazana teo no ho eo ihany moa ilay kamiao ary nosokafana fanadihadiana mahakasika ity tranga fandikan-dalàna ity. Marihana tokoa fa taorian’ilay loza nahafaty olona am-polony maro, nandeha kamiao tany amin’iny faritra Anjozorobe iny, taona vitsy lasa izay dia naverina namafisina ny tsy fahazoan’ireo fiarabe mitondra olona, na inona na inona antony, izay lalàna efa nisy teo aloha moa.
m.L