« Requins » maina milanja eo amin’ny roa taonina mahery kely eo ho eo niaraka tamin’ny « crevettes » maina, 500 kilao any ho any no saron’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra misahana ny fifamoivoizana tao Ihosy tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny ny faran’ny herinandro teo. Tamin’io fotoana io ihany koa dia sarona tamin’ny olona iray nitondra bisikleta ny rongony milanja 50 kilao.
Nisy hatrany ny ezaka nataon’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny amin’ny fisavàna ireo fiara mifamezivezy amin’ireo lalam-pirenena eto amintsiny. Ny faran’ny herinandro lasa teo iny dia olona telo no nosamborina izay samy nitondra entana tsy ara-dalàna avokoa tany amin’iny distrika Ihosy iny. Ny voalohany tamin’izany dia lehilahy nitondra bisikleta ary nitondra gony lehibe feno ampombo. Somary nampiahiahy ny fihetsik’ity ranamana ity ary nosavaina avy hatrany ny entana nentiny : ampombo saingy kosa, natao tsara afina tao anatiny ny rongony izy nitontaly teo amin’ny 50 kilao teo ho eo. Nosamborina avy hatrany moa ity farany ary natao famotorana.
Fa ankoatr’izay dia fiara iray tsy nisy taratasy ihany koa no voasakan’ireo zandary tao amin’io distrika io ihany hatrany. Tsy vitan’ny tsy nisy taratasy anefa ity fiara « sprinter » ity fa mbola nitondra entana tsy ara-dalàna ihany koa. Hazan-dranomasina, izay nahitàna « requins » efa maina aman-taoniny sy patsabe maina aman-jatony kilao tao anatiny. Marihana, raha ny fanazavàna azo hatrany dia mbola voararan’ny lalàna tanteraka ny fitondràna hazon-dranomasina amin’izao noho ny mbola fikatonanan’ny fotoam-panjonoana. Nentina nofotorana moa ireo roalahy nitondra ity fiara ary nogiazana sy natolotra ny sampan-draharahan’ny fambolena sy fiompiana kosa ireto entana ireto. Samy natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ao Ihosy avokoa moa ireto olona voasambotra sy voarohirohy tamin’ny fitondràna entana tsy ara-dalàna ireto.
m.L