- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Jiolahy 15 lahy manakan-dalana sy mandroba

RN7 : Jiolahy 15 lahy manakan-dalana sy mandroba

Asa raha ireo andian-jiolahy 15, mpampihorohoro ireo faritra sasantsany eto an-drenivohitra ihany ireo manampatra ny asa ratsiny any amin’iny faritr’i Faratsiho iny. Nisesisesy mantsy tao ho ao izay ny fanafihan-jiolahy mitam-basy tany amin’iny faritra iny. Ary tsy vitan’izay fa efa miroso amin’ny fanakanan-dalana ihany koa ireto 15 lahy ireto, teny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Fiara Mazda iray avy nitondra mpandevina no lasibatra, tokony ho tapa-bolana lasa izay, teo Antsapanimahazo. Vola maromaro tany amin’ireo mpandeha no lasa, niaraka tamin’ny lakilen’ny fiara. Tamin’io fotoana io indrindra koa mantsy dia efa avy nanafika mpivarotra enta-madinika tao amin’ny tanàna kely iray tao Ampizarankisoa, Faratsiho, izy ireo, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Ary tsy mijanona hatreo akory ny asa ratsin’ireto andian-jiolahy. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa mitondra faisana avokoa ireo tanàna lalovan’ireto olon-dratsy ireto, ary saika ahazoan’izy ireo vola an-tapitrisany maro avokoa. Toy ny nitranga tamin’ny tanàna roa, tao Ampizarakisoa hatrany. Trano sivy be izao no indray notetezin’ireto tsy valahara, ny herinandro lasa teo. Tsy mitazam-potsiny anefa ireo mpitandro filaminana tany an-toerana fa nandray ny andraikiny avy hatrany. Nisy olona roa noahiahiana ho isan’ireto andian-jiolahy ireo ka nosamborina. Izy ireo indray taty aoriana no nanondro ny namany hafa. Tafakatra 12 izany hatreto aloha no  fantatra fa tratra tamin’ireto andian-jiolahy ireto, izay natolotra ny Fampanoavana tao Antsirabe. Mbola karohina kosa ireo telo lahy sisa ambiny, izay voalaza hatrany fa mpitondra ireo basy mahery vaika, mirenireny sy mihaodihaody eto an-drenivohitra, raha ny vaovao hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser