- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Kamiao nifampitarika nivadika, olona iray namoy ny ainy

RN7 : Kamiao nifampitarika nivadika, olona iray namoy ny ainy

Nandriaka indray ny rà teny amin’iny lalam-pirenena fahafito  iny ny marain’ny sabotsy lasa teo. Kamiao roa nifampitarika no nivadika, teo amin’ny toerana antsoina hoe Andohanandavabato, ao amin’ny distrikan’Antanifotsy. Vokany namoy ny ainy ny mpamilin’ilay fiarabe iray, naratra kosa ny olona roa : ny mpamilin’ilay fiara notarihina sy ny mpanampy azy.

Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany maraina teo no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ity. Raha ny fanazavana azo, dia avy any an-drenivohitr’i Vakinankaratra handeha hihazo an’Ambohimandroso ireto kamiao roa ireto, izay marihana fa nisy fahasimbana ny iray ary notarihan’ilay voalohany. Irony fiarabe miavaka amin’ny loko maitso, marika « Mercedes-Benz 1017 » irony ireto fiara niharan-doza ireto. Araka ny angom-baovao azo, dia somary nandeha mafy ihany ireto fiara lehibe ireto. Nony tonga teo amin’io toerana voalaza etsy ambony io anefa dia tsy tanan’ny mpamilin’ilay fiara nitarika intsony ny familiana ka nivoaka ny lalana. Nitongilana ilay fiara tao aoriana ary nidona tamin’ny sisin-dalana. Ny lanjan’ity farany no nitarika ilay voalohany hivadika nony avy eo. Lehibe ny fahavoazana tamin’izany. Maty tsy tra-drano moa ilay mpamilin’ilay fiara nitarika, izay marihana fa tompon’ny fiara ihany. Naratra sy voatery nosokirina koa ny mpamilin’ilay tao aoriana niaraka tamin’ny mpanampin’ny mpamily. Niara-nisalahy namonjy ireo niharan-doza ireo moa ireo fokonolona nahita ny loza, niampy ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana. Efa nalefa namonjy toeram-pitsaboana avokoa moa ireo naratra ary nomena ny fianakaviana ny vatana mangatsiakan’ilay namoy ny ainy. Koa satria nisy ny famoizana aina dia tsy maintsy nosokafana ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

Fa mbola lozam-pifamovoizana tamina lalam-pirenena ihany. Saingy tetsy amin’ny RN2 kosa indray, ary kodiaran-droa no niharan-doza, teo Ambohimangakely. Lehilahy iray nitondra azy io no naratra mafy, rehefa nidona tamin’ny andrin-tany ny môtô scooter nentiny. Araka ny fantatra dia toa hoe efa mamo ity lehilahy ity ary tsy voafehiny intsony ny fitaovana nentiny ka dia izao niafara tamin’ny loza izao. Potika tanteraka kosa ilay môtô.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici