- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversRN7 : Kamiao nitatitra vatosoa nogiazana

RN7 : Kamiao nitatitra vatosoa nogiazana

Milanja 60 taonina ireo vatosoa izay raha ny filazan’ny mpitandro ny filaminana dia tsy ara-dalàna ny taratasy mahasika azy ireo. Avy any Ambatofinandrahana ary saika hotaterina aty an-drenivohitra no sarona teo amin’ny lalam-pirenena fahafito ny kamiao nitondra azy. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana hatrany dia ministra teo aloha sy mpikamban’ny Cst iray no voarohirohy ho tompon’antoka amin’ireto vato sarobidy ireto. Efa nisy fanadihadiana momba azy ireo tamin’ny alakamisy teo, fotoana izay nahatratrarana ireo entana. Mbola mitohy izany ny fakàna am-bavany raha araka ny vaovao hatrany. Hazo sarobidy, vato sarobidy, volamena, tsy misy tsy voakitiky ny fanondranana izay mety ho sarobidy eto amintsika. Ary hatramin’ny olona aza dia efa fanondrana ihany koa. Endrika mivantana isehoan’izany ireny fandefasana vehivavy hiasa any amin’ny firenena arabo ireny. Efa firifiry no namoy ny ainy sy niharan’ny herisetra, saingy tsy nanakana ny firenena tsy handefa olona any izany. Momba ny trafika indray dia toa lasa miharihary andro aman’alina izany. Any ambanivohitry ny faritra atsinanana aza dia efa atao amoron’ny arabe ireo hazo sarobidy dia eo no raisin’ny kamiao. Tsy toa ny teo aloha intsony, mba any anaty nosy kely miafinafina no misy azy ireo sy handraisan’ny sambo mpitatitra izany. Raha oharina amin’ny zava-misy dia tsy misy miafina intsony ny rehetra ankehitriny fa izay  manana fahefana kely dia manampatra an’izany ho any amin’ny asaratsy izay miompana amin’ny fanondranana harem-pirenena indrindra indrindra.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser