Raha ny taxi-brousse no matetika tafihan’ireo jiolahy, teo aloha teo, teny amin’ireo lalam-pirenana ; amin’izao efa lasibatra ihany koa ireo fiarabe mpitondra entana. Ny voalohandohan’ny herinandro teo dia fiarabe iray nitondra kisoa no lasibatry ny jiolahy mpanakan-dàlana, teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, teo an-tampon’Ihorombe. Nobahanan’ireo olon-dratsy tamin’ny vato isan-karazany ny làlana tamin’io fotoana io ary tsy maintsy nijanona ilay fiara. Tamin’izay fotoana izay no nanararaotan’izy ireo nanao ny asa ratsiny. Soa fa tsy nisy naninona ireo voatafika, saingy ny vola rehetra tany aminy no lasan’ireo olon-dratsy. Raha ny fantatra hatrany, dia toa hoe nisy fiara naka ireto olon-dratsy rehefa nahavita ny asa ratsiny nony avy teo. Tetika efa voaomana ary ve ? Fantatra fa efa eny am-pelan-tànan’ireo mpitandro filaminana ny raharaha, amin’izao fotoana izao ary efa mandeha ny fikarohana.
Nangonin’i m.L