- Publicité SW45 -
vendredi, juillet 5, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN7 : Kamio sy « taxibrousse » nifandona, mpandeha iray maty tsy...

RN7 : Kamio sy « taxibrousse » nifandona, mpandeha iray maty tsy tra-drano

RN7Namoa-doza indray ny lalam-pirenena fahafito tamin’ny faran’ny herinandro. Omaly maraina, tokony ho tamin’ny enina ora, dia « taxibrousse » Toyota mampifandray ny renivohitra amin’ny Fianarantsoa indray no nifandona tamin’ny kamiao iray raha iny izy hihazo an’Antananarivo iny. Vokany, mpandeha iray izay nipetraka teo aloha no maty tsy tra-drano noho ny hamafisan’ny fifandonana. Potika tanteraka tsy nisy nojerena intsony ilay fiara fitateram-bahoaka taorian’ny loza. Olona dimy hafa mbola maratra mafy miady amin’ny fahafatesana any amin’ny hopitaly. Marihina fa tokony ho kilaometatra vitsivitsy atsimon’Ambohimandroso Gara no nitrangan’izany loza mahatsiravina izany. Efa tonga teny an-toerana ny teo anivon’ny zandarmaria nanao ny constat ». Tsy fantatra mazava hatreto ny tena antony nahatonga izao loza izao. Fantatra fa mampianatra eo anivon’ny Faculté des Médecines ilay iray namoy ny ainy. Sojaben’io Faculté io izy ary saika hatao amin’ny alakamisy teo ny fametrahana azy amin’ny fomba ôfisialy. Tsy fantatra ny tena diso na ny mpamilin’ilay kamiao na ilay « taxibrousse ». Misy tamin’ireo nanatri-maso ny loza no nitatitra fa resi-tory ilay mpamily an’ilay « taxibrousse » ka tafavily niankavia ny fiara, izany hoe tandrifin’ny làlana voatokana ho an’ireo fiara hianatsimo. Avy hatrany anefa ity fiara fitateram-bahoaka ity dia notsenain’ilay kamiao ka dia izao nitera-doza izao.  Etsy ankilan’izany rehetra izany, malama dia malama ny làlana noho ny faharatsian’ny toetrandro ka tsy ferana ihany koa izay mety ho fiantraikan’izany amin’ny resaka fifamoivoizana. Misokatra araka izany ny fanadihadiana ny amin’ny tena fototra nahatonga ny loza.

Niony H.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici