Tsy lany atao ! Lehilahy iray, manao fanamiana miaramila ary mitondra galona « bokotra dimy » no voatery nosamborin’ny zandary tany amin’iny faritra Matsiatra Ambony iny, raha nikasa hitondra olona an-tsokosoko hiakatra aty an-drenivohitra, ny sabotsy lasa teo. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia teo amin’ny sakana ara-pahasalamana teo Alakamisy Ambohimaha no tratra ity manamboninahitra ity, niaraka tamin’ny fiara iray izay nisy olona maromaro nikasa ny hivoaka ny faritra ary hiakatra aty an-drenivohitra, niaraka taminy. Somary nahamailo ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana ilay tranga ary nampiahiahy tanteraka ny fihetsik’ity lehilahy iray manao fanamiana miaramila. Eny fa na dia manamboninahitra ambony aza ny galona nananany, dia tsy nisalasala nandray andraikitra ireo zandary teo amin’ny sakana ary nanasa azy hamoaka ny karatra maha-miaramila sy ny « ordre de mission » nahafahany nivoaka ny faritra. Tsy nisy na dia iray tamin’io antonta-taratasy ireo anefa tany amin’ity lehilahy ity. Ary matoa tsy manana ilay karatra voalaza voalohany dia azo heverina avy hatrany fa fisandohana andraikitra izany ka nentina nihazo ny biraon’ny zandary misahana ny fikarohana heloka bevava tao Fianarantsoa ny tenany. Tetsy andanin’izay kosa, nogiazana tsy navela nandeha ilay fiara, ary nasaina nidina sy niverina nody ireo olona tao anatiny. « Ny azo antoka dia tsy miaramila velively io lehilahy io. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana lalina tanteraka mahakasika ity raharaha ity izahay. Ny amin’ny niavian’ireo fanamiana sy ilay galona » hoy ny fanazavàna azo avy amin’ny tompon’andraikitra tany an-toerana. Azo heverina araka izany fa tetik’ady nampiasainy ity hoe maha kôlônely azy ity, saika hialàna ireo sakana tamin’iny lalam-pirenena fahafito fotsiny. Fepetra izay noraisin’ny Fitondram-panjakana, mba tsy hiparitahan’ilay valan’aretina Covid-19.
m.L