- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversRN7 : Lehiben’ny polisy niharan-doza, naratra mafy

RN7 : Lehiben’ny polisy niharan-doza, naratra mafy

Avy any atsimo izy ary handeha hihazo an’andrenivohitra no niharan-doza tampoka. Naratra mafy vokatr’izany satria vaky ny lohany. Voatery nampidirina hopitaly teto an-drenivohitra ary vao haingana no afaka niala tao. Saingy mbola arahi-maso tanteraka ny fahasalamany ao an-tranony. Simba tanteraka ihany koa ny fiaran’ny polisy nentiny tamin’io fotoana io. Omaly dia tonga namangy azy teny amin’ny trano fonenany ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana samihafa. Mateti-pitranga ny lozam-pifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahafito. Efa samy nidoboka avokoa na fiaran’olon-tsotra na ny fiara fitaterana. Raha ny marina aza dia izy no isan’ny mamono olona indrindra raha ampitahaina amin’ny lalam-pirenena hafa eto amin’ny nosy. Tsy vitan’izany fa mbola mateti-pitranga eny amin’ny toerana iny ihany koa ny asan-jiolahy. Ny fanakanan-dàlana isan-karazany izay entina handrobana ny mpampiasa iny làlana iny dia saika isan’andro, nisy fotoana. Ireo taxi-brousse no tena matetika lasibatr’izany. Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo koa no nisy mpitaingina moto maty tamin’iny RN7 iny, tsy mifanalavitra amin’ilay fiholanana mizotra ho any Tsiafahy, rehefa nifanehatra tamin’ny fiara fitaterana ny moto nentiny. Izany dia vokatry ny fisongonana tampoka tamin’ny fotoana tsy tokony hanaovana an’izany. Noezahina nentina faran’izay haingana tety an-drenivohitra izy saingy be loatra ny rà very noho ny fahavoazana. Tsy tàna intsony ny ainy. Naratra mafy ihany koa fa mba avotra soa aman-tsara ilay olona nentiny tao aoriany tamin’ilay moto. Malama ny làlana amin’ny fahavaratra ary tsy vitan’izay fa mbola be fiholanana ihany koa iny lalam-pirenena fahafito iny. Mora foana ny hisehoan’ny lozam-pifamoivoizana raha vao misy ny tsy fitandremana kely avy amin’ny mpamily…

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser