- Publicité -
jeudi, août 28, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN7: Lozam-pifamoivoizana telo samihafa, olona 5 naratra mafy

RN7: Lozam-pifamoivoizana telo samihafa, olona 5 naratra mafy

Nahatratra telo be izao ny lozam-pifamoivoizana teny amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny, omaly. Nitranga izany noho ny tsy fitandremana sy ny tsirambina teo amin’ireo mpanamory raha ny fahitana ny zavatra niseho. Tamin’ny 10 ora maraina ny voalohany,teo anoloan’ny tobin-dasantsy Shell eo Iavoloha. Fiarabe mitatitra vato avy any atsimo handeha hianavaratra no tapaka hisatra ka nikasoka tamin’ny taksibe Sprinter iray  nifanena taminy. Tao aorian’zay dia nifatratra tamin’ny fiara taxi-brousse iray izay hivily hiditra eo amin’ity tobin-dasantsy ity.  Vokany, olona telo no naratra tao amin’ilay Taxi-brousse ka voa mafy ny roa, iray kosa no tao amin’ilay kamiao. Teo Ambohibao kosa ny faharoa tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Môtô manao taingin-droa nandeha mafy ary nangalatra ankavia no nidona tamin’ny fiara « semi-remorque » nifanena taminy. Noho ny hamafin’ny fifandonana dia naratra mafy avokoa ireo roa lahy mpitaingina môtô. Mbola teo Ambohibao  ihany ity farany. Nitranga izany tamin’ny 3 ora sy 30 minitra raha mbola nitohana tanteraka noho ilay lozam-pifamoivoizana teo aloha ny arabe. Fiarabe « semi-remorque » nanana olana teo amin’ny hisatra no nandona andrin-jiro teo amin’ny an-kavanan-dalana avy eo nifatratra tamin’ny tamboho. Soa fa tsy nisy ny naratra, fa ilay andrin-jiro no nianjera, ary nirodana tanteraka ilay tamboho.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici