Asa na ilay vaninandro akaiky fety fa toa tsy ialàna lozam-pifamoivoizana mihitsy ireo lalam-pirenena eto amintsika. Ny talata antoandro lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any, rangahy nitaingina bisikileta iray no voadonan’ny kamiô remorka ho any Antsirabe, teo Antsoantany. Araka ny filazan’ireo nanatri-mao dia somary nikivilavila ny fandehan’ity rangahy manodidina ny 35 taona any ho any, teny amin’ny arabe. Toa hoe namofon-toaka mihitsy aza izy io raha ny fanazavana hatrany. Tsy hitany akory, araka izany, ity fiarabe nanatona azy. Voakipilin’ny sisin’ilay remôrka niala ny arabe mihitsy aza moa ity olona ity. Mafy ny dona ary naratra mafy tokoa ity mpitaingina bisikleta ity, raha ny vaovao voaray hatrany. Teo no eo ihany dia nentina namonjy toeram-pitsaboana tany Andranomadio Antsirabe ity lehilahy ity ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.
Fa mbola loza teny amin’ny lalam-pirenena ihany, niseho omaly hariva tetsy Antsofinondry. Ankizy kely iray, eo amin’ny 10 taona eo ho eo no naratra mafy sy tsy tafahetsika intsony rehefa voadon’ny môtô scooter nandeha mafy, handeha hiakatra aty an-drenivohitra. Nambaran’ireo nanatri-maso fa nanao andiany ireto ankizy kely ireto ary mety ho avy nilomano teny an-toerana. Niampita ny arabe izy ireo. nihazohazo tamin’ny farany ity ankizy kely ity ka io nifanehatra tamin’ny scooter io. Niankarapoka tamin’ny tany mihitsy ary somary ela ihany vao tafarina teo, raha ny fanazavana azo hatrany. Efa nahazo fitsaboana ity ankizy ity ary tsy misy ahiana ny ainy.
m.L