Tokony ho tamin’ny fito ora hariva teo, ny andron’ny alakamisy teo, raha iny handeha hisakafo teo Ambalavao iny ity lehilahy iray, nitondra moto, no nipoitra tampoka avy hatrany ireo olon-dratsy. Lasa daholo ny zavatra rehetra tany amin’ity mpitondra môtô ity, niaraka tamin’ilay fitaovam-pitaterna nentiny. Araka ny filazan’ny fianakaviana dia niainga taty Antananarivo, hihazo an’Ambalabao izy tamin’io fotoana io, nihazo iny lalam-pirenena fahafito iny. Nandeha irery nitondra ilay kodiaran-droa. Efa nisy trano fivantanany ao Ambalavao saingy mbola nisafidy kely ny hisakafo tamin’ny toerana izy, noho ny dia. Nipoitra avy hatrany ireto telolahy ireto, izay tsy hampoizina velively ho olon-dratsy, ary avy hatrany dia nanatona azy. Tsy nisy alaharo alaharo teo fa navoakan’ireto farany ny basy tany aminy, nentiny nampitahorana ity lehilahy ity. Tsy afa-nikofoka na niantso vonjeo akory izy tamin’io fotoana io. Nanam-potoana be araka izany ireto mpanafika ireto, nisavasava sy namatotra ity lehilahy ity. Nanendaka ireo rehetra zava-tsarobidy teny aminy. « Lasa avokoa ny vola sy ny finday » hoy hatrany ny vaovao azo. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nentin’izy ireo ihany koa ilay môtô. Taorian’io vao afaka niantso vonjy ary nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana teo an-toerana. « Efa nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana izahay fianakaviana ary heverina fa efa nandray an-tanana ny raharaha amin’ny fikarohana ireto mpanafika ireto izy ireo ». Môtô karazany « cross » miloko mainty misy faritra mena ilay môtô, ary mitondra ny marika Kawasaki KLX 150. Izay sendra mahita ity môtô ity araka izany dia hiangaviana, hoy ireo fianakaviana mba hiantso ny laharana 034 45 547 24, na hampandre haingana ireo mpitandro filaminana akaiky azy indrindra. Heverina mantsy fa tsy ho lavitra eo ihany koa ny misy ireo olon-dratsy, izay inoana fa mety efa miomankomana sahady ny hitily ireo mpitondra môtô hafa mandeha irery amin’ny lalam-pirenena.
m.L