Ankevitry ny efa nambenan’ireo olon-dratsy ireto mihitsy ny fandalovan’ireto olona nikasa ny handeha hividy vatosoa, tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny, ny alahady lasa teo. Vokany, roa tamin’ireo voatafika no naratra mafy, vola an-tapitrisany kosa no lasan’ireo olon-dratsy, niampy vato sarobidy, izay tombanana ho aman’hetsiny maromaro any ho any. Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro teo no sendra ny tsy azo anorahana intsony ireto olona telo nandeha môtô, nihazo ny làlana mampitohy an’i Vinaninkarena sy Ibity iny, saika handeha hividy vatosoa. Jiolahy efatra nitondra zava-maranitra no nanakana ny làlan’izy ireo. Tsy nisy alaharo alaharo teo, fa avy hatrany dia daroka no niantefa teny amin’ireto mpandeha roa lahy. Nianjera ireto farany ary tsy afaka nanao na inona na inona intsony teo anatrehan’ny zava-nisy. Hany ka nanao izay danin’ny kibony nandroba izay rehetra teny amin’ireto mpividy vatosoa ireto, ireo olon-dratsy. Tsy nokasihan’izy ireo kosa ilay mpitondra an’ilay môtô, raha ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandarimariam-pirenena. Araka ny vaovao hatrany mantsy, dia nanofa ireny taxi-moto ireny izy roa lahy ireto, raha handeha ho any amin’ilay toerana nokasain’izy ireo aleha. Teo anatrehan’izany, dia niantefa avy hatrany tany amin’ity mpamilin’izy ireo ny ahiahy rehetra. Ity farany izay nanaovan’ireo zandary misahana ny famotorana fanadihadiana. Mitohy kosa ny fikarohana ireo jiolahy nahavanon-doza.
m.L