
Vao nanomboka ny taona dia efa nisy lozam-pifaoivoizana namoizana ain’olona sahady teny amin’ny lalam-pirenena. Teo Ilempona, teo amin’ny toerana antsoina hoe Mandikanamana, omaly tokony ho tamin’ny efatra ora, no nisy kamiao iray nanitsy tany amin’ny taxi-brousse marika Sprinter. Mafy ny fifandonana ary potika tanteraka ny lohan’ilay fiara mpitatitra olona. Nisy ramatoa iray namoy ny ainy tao anatin’izany lozam-pifamoivoizana izany, raha araka ny tatitra azo avy any an-toerana. Tsy nijanona teo fa mbola misy olona sivy hafa naratra mafy ihany koa ka nentina teny amin’ny hopitaly tao an-toerana. Omaly tamin’ny ora nanoratanay, tokony ho tamin’ny fito ora hariva, dia nitady vahaolana ny mpitsabo tao an-toerana ny amin’ny handefasana ireo naratra any Antsirabe, noho ny fahavoazana mafy nanjo ireo marary. Fiara efatra no indray potika tao anatin’ity tranga ity. Isan’izany ny fiara mpitatitra iray hafa izay avy aorian’ilay kamiao ka tsy tafajanona intsony noho ny tampoka. Fiara 4×4 iray hafa taorian’ilay taxi-brousse no nahitana naratra maro tao anatiny sady simba ny lohany rehefa nidona mafy noho ny fijanonana tampoka. Noraisin’ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana avy hatrany ny fanadihadiana. Raha ny fantatra dia saika hizotra ho aty an-drenivohitra ilay taxi-brousse ary ilay kamiao kosa ho any atsimo. Kamiao tsy nitondra entana io ary mety nandeha mafimafy satria maivana. Tao anatin’ny orana no niseho ny lozam-pifamoivoizana ary efa matetika mitranga izany eo amin’io toerana antsoina hoe Mandikanamana io. Efa nasiana mpitandro ny filaminana aza eo an-toerana mba hampahatsiahy ny mpamily tsy handeha mafy, ary io farany koa dia isan’ny saika voafoaka tao omaly raha tsy nahay niala. Teo amin’ilay toerana nisy olona mpampianatra avy any Mahajanga maty, tamin’ny herintaona, no nisian’ilay loza. Io koa dia olona efatra tao anaty taxi-brousse no indray namoy ny ainy tao anatin’ny indray mipi-maso. Omaly dia vehivavy iray no fantatra fa maty. Namono olona sahady RN7…
D.R