- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Nifampitifitra ny zandary sy ny mpanakan-dàlana

RN7 : Nifampitifitra ny zandary sy ny mpanakan-dàlana

Taxi-brousse vitsivitsy sendra tsy naharaka ny namany, no noheverin’ireo mpanakan-dalana fa ho lasibatra mora foana amin’ny asa ratsiny. Nandamoka avy hatrany anefa izany, noho ny fisian’ireo zandary, izay tsy mikely aina miaro ireo vahoaka sy ny fananany, nanaraka an’ireto tandahatra taxi-brousse ireto. Velona teo  ny fifampitifirana, ary vaky nandositra nony farany ireto olon-dratsy, tsy nahavita izay nokasainy hatao. Tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny no nitrangan’izany, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo, teo amin’ny PK347, toerana antsoina hoe Analatsara ao amin’ny kaominina Ambohimahasoa. “Niainga teo  Ivato Ambositra ireo tanjozotrana fiara Taxi-brousse ireo talohan’io seho io mba hianatsimo. Nisy ny fiara somary taraiky tsy naharaka ny namany ka nijanona taorian’io hatrany ny fiara nisy ireo zandary sasantsasany avy amin’ny FIGN; izay miaraka tamin’izy ireo (escorte). Raha efa lasa aloha noho izany ny fiara maromaro ka tazan’ireo olon-dratsy fa mbola misy fiara telo taraiky lavidavitra, dia nihevitra izy ireo ny hanafika mora foana. Nametraka sakana haingana teo amin’ny làlana ireto jiolahy ireto  tamin’ny alàlan’ny” bois ronds” ary avy hatrany dia nitora-bato ny fiara iray izay nahakiaka ny fitaratra.  Nitifitra avy hatrany ireo zandary izay natao hiaro ireto fiara sy ny mpandeha aminy ireto no sady niantso ny zandary teo an-toerana. Tao anatin’ny haizina moa dia vaky nandositra tany anaty ala ireo jiolahy ireo ka ny zandary teo an-toerana no tonga nanao ny fikarohana azy ireo ary ireo fiara kosa nanohy ny diany tsy nisy naratra na rava fananana niaraka tamin’ireo zandarin’ny FIGN nianatsimo” hoy ny fampitam-baovao. Arak’ izany, tsy nisy voaroba, tsy nisy ny naratra sy ny namoy ny ainy t amin’ireto mpandeha. Marihana fa “efa nihena lavitra be koa ny trangam-panafihana, satria   raha in-droa na in-telo isan-kerin’andro izany taloha, dia efa in-dray mandeha isaky ny roa volana raha misy izany ankehitriny sady mbola tsy naharoba koa fa resy tosika mandositra”. Antenaina araka izany ny hitohizan’izany ezaka izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici