Vao tamin’ity herinandro ity no nisy tovolahy saron’n y zandary nitondra basy sy bala maromaro tao anaty fiara, nefa tsy nisy taratasy. Fantatra koa izao fa nisy basy vitagasy dimy sarona tao anatin’ny taksibrosy iray izay avy any Toliara, ka saika hihazo an’andrenivohitra. Teo Fianarantsoa izy io no voasakana ary rehefa nosavaina dia basy dimy sy bala maromaro no sarona tao. Basy vita gasy, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Mbola sarona niaraka tamin’izany ihany koa ny rongony amin’ny fonosana maro. Ny pôlisy no nahazo vaovao mahakasika ilay lehilahy nitondra ireo fitaovam-piadiana. Efa fantatra arak’izany ny fandalovany teo Fianarantsoa ary nandrasana fotsiny. Lehilahy iray no tratra nitondra ireo fitaovam-piadiana ireo. Natao tao anaty sakaosy iray avokoa ireo entana rehetra raràn’ny lalàna ireo. Raha ny fanazavana hatrany dia saika teo Antsirabe no niala ilay lehilahy ary haka taksibrosy hafa indray hihazo an’i Morondava. Avy hatrany dia nosokafan’ny mpitandro ny filaminana ny fanadihadiana momba azy. Na izany aza anefa tsy mbola nanondro ny niavian’ny basy ilay lehilahy. Ao anatin’ny herinandro izany dia basy enina izay sy bala maromaro no sarona tamin’ny RN7 izay mampitohy an’andrenivohitra amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Midika izany fa toerana hifamezivezen’ny fitaovam-piadiana iny lalam-pirenena iny. Ny mpitandro ny filaminana rahateo dia nanamarika fa any Ambalavao no tena nahatratrarana toerana fanaovana basy vita gasy teto amintsika. Efa rava anefa izany dia mety ho nizotra any nianatsimo hatrany izany ary taterina tsikelikely amin’ny taksibrosy miala tao. Mila arahamaso koa izany ny entana miditra ao anatin’ny taksibrosy, mba hiadiana amin’ny fiparitahan’ny basy…
D.R