- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Nisy taxi-brousse voatafika indray

RN7 : Nisy taxi-brousse voatafika indray

Feno vatobe tampoka ny lalana izay tokony ho nolalovan’ilay taxi-brousse ; izay handeha ao Fianarantsoa (efa kilaometatra vitsivitsy  hidirana teo rahateo) raha niala taty An-drenivohitra. Efa nanomboka mahina ny olona tao anatiny, fa misy jiolahy mpanakan-dàlana indray eo amin’ny manodidina. Ny lehilahy iray izay isan’ny mpandeha no nanapa-kevitra avy hatrany ny nivoaka ny fiara ary nanala haingana ireo vatobe. Teo am-panatontosana an’izany anefa no tazan’ny mpamily tampoka ireo jiolahy izay nivoaka tsikelikely. Nahita izany itsy voalohany dia nanapa-kevitry ny nanetsika ny fiara avy hatrany. Noho ny hamehana sy ny fikoropahana, dia tsy voafehiny intsony ny familiana ka ilay lehilahy iray mpandeha izay nanala ny vato indray no voadona aloha. Tsy vitan’izany, fa nihemotra avy hatrany ilay fiara tao anatin’ny maizina ary dia nivarina tany an-kady. Toa nanamora ny asan’ireo jiolahy avokoa izany rehetra izany. Tsy niasa saina firy intsony ireo, fa dia niditra tao anatin’ny fiara izay tsy afa-nihetsika intsony ary naka izay nilainy tao. Nanam-potoana rahateo izy ireo. Notatazina tamin’ny satroka ny volan’ny mpandeha ary noborahina ny entan’izy ireo dia samy naka izay tiany teo ny jiolahy mpanakan-dàlana. Tebiteby hatrany ankehitriny ny fivezivezena amin’ny lalam-pirenena noho ny afitsoky ny jiolahy. Ny zon’ny olona halalaka amin’ny fivezivezeny izay zo fototra no voasembatsembana, raha mbola mitohy hatrany ny herisetra sy fandrobana eny amin’ireny làlana ireny. Efa betsaka ihany izay fepetra noraisina izay ary isan’izany ny fandefasana mpitandro filaminana mandeha amin’ny taxi-brousse, ny mpitandro ny filaminana izay mivezivezy amin’ny lalam-pirenena ary mijirika izay mety ho mpanakan-dàlana  sns. Mbola misy sahy hatrany anefa ny olon-dratsy ny manatontosa ny asany ary tsy iza fa ny olom-pirenena tsotra hatrany no mizaka ny fahavoazana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici