- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Olona folo indray saika hiditra an-tsokosoko teto an-drenivohitra

RN7 : Olona folo indray saika hiditra an-tsokosoko teto an-drenivohitra

Mitohy hatrany ary vao mainka mihamafy ny fisavàna sy ny sakana ataon’ireo mpitandro filaminana eny amin’ireo toerana manasaraka ny faritra Analamanga sy Vakinankaratra amin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia nahatratra olona folo , mpandeha an-tsokosoko nikasa hiditra tato amin’ny faritra Analamanga ny faran’ny herinandro lasa teo. Ankoatra ’ireo dia fiara mpitatitra entana maromaro tsy nanara-dalàna amin’ny fitondrana entana no voatery nosaziana.

Nanamafy hatrany ny eo anivon’ny mpitandro filaminana fa mba ho fiarovana ny ain’ny vahoaka amin’ity fiparitahan’ny valan’aretina no antony nandrasain’ny fanjakana fepetra hanakatonana ireo faritra maromaro eto amintsika ary anisan’izany ny eto Analamanga. Tany Ambatolampy, ohatra raha ny vaovao azo hatrany, dia fiara mpitatitra iray no tratra nitondra olona 10 avy any Manakara, handeha hiakatra eto an-drenivohitra. Ambonin’izay, hoy hatrany ireo mpitandro filaminana, dia midangana izay tsy izy ny saran-dalana takian’ireo mpamily amin’izany. Tafakatra hatrany amin’ny 120.000 ariary any ho any saran-dalana avy any Antsirabe raha hiakatra aty an-drenivohitra. Teo anatrehan’ny zava-nisy moa, nandraisana fepetra avy hatrany ireto mpandeha sy ny fiara nitondra ireo tsy nanara-dalana ireto. “Nogiazana ny fiara, nosintonina ny fahazoan-dalana mamily ary natao fanadihadiana sady hatolotra fitsarana ireo mpandeha rehetra tao anatiny”. Ankoatra izay, tetsy Tsinjony, dia fantatra fa nisy fiara mpitatitra entana maromaro voatery nosaziana, noho ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fanasiana “porte-bagage” sy entana ambony tafo. “Fougron misy porte bagages sady mitondra entana ambony. Tsara ny mampahafantatra fa efa lalàna velona hatrizay ary efa fantatry ny mpampiasa fiara rehetra ary efa nanaovana fanentanana hatrany hatrany”. Ireo hafa dia fiara tsotra mpitatitra olona no navadika ho fiara mpitatitra entana, izay tsy misy taratasy. Nandraisana fepetra ihany koa izy ireo ary nampidirana am-balam-pamonjana avy hatrany, hoy hatrany ny vaovao azo. “Tsy maintsy ampitoviana ny tadin-dokanga, hoy hatrany ireo mpitandro filaminana, satria efa nisy hatramin’izay ireo fiara mpitatitra entana nanara-dalàna foana, ary misy ireo mpanararaotra amin’izao hamehana sy lalana tapaka izao”

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici