- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Olona telo indray no maty, vokatry ny fifandonan’ny taxi-brousse sy...

RN7 : Olona telo indray no maty, vokatry ny fifandonan’ny taxi-brousse sy kamiao

Nitrangana loza indray tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, teo Ambohimahasoa, omaly. Taxi-brousse « Mazda » nifandona tamina fiarabe. Vokany, mpandeha telo namoy ny ainy ary am-polony ireo naratra mafy.

Araka ny fampitam-baovao azo, dia fiara mpitatitra avy any Ambositra ary hihazo ny renivohitr’i Betsileo ity niharan-doza ity, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ankoraka, Ambohimahasoa. Fiarabe handeha hitodi-doha hiakatra kosa no nifandona taminy, tao anaty fiolahana. Raha ny voalaza, dia nandeha mafy dia mafy tokoa ity fiara « minibus » ity tamin’io fotoana. Somary nalama ihany anefa ny làlana noho ny rotsak’erika manify, ary tsy vitan’izay fa mbola nangalatra làlana ihany koa ilay mpamily teo amin’ilay fiolahana nisehoan’ny loza. Ny tsy fantany anefa, dia nisy fiarabe hifanena taminy nipoitra avy tao. Noho ny hafainganam-pandeha mafy loatra dia tsy tana intsony ny familiana, eny fa na dia milaza azy ho mahay fiara aza ireo mpamily amin’ireny làlam-pirenena ireny. Voadon’ilay fiarabe teo amin’ny valahany ity taxi-brousse ity, avy teo nipitika. Lehilahy roa, ary vehivavy iray no maty tsy tra-drano sy voatery nosokirina tao anatin’ilay fiara. Saika naratra mafy avokoa, tetsy andanin’izay ireo mpandeha rehetra tao anatiny, ka nentina haingana tany amin’ny hopitaly tao Ambohimahasoa. Raha ny fantatra hatramin’ny omaly hariva aza, dia mbola misy olona miady amin’ny fahafatesana amin’ireo naratra ireo. Efa tonga teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, nijery ifotony ny zava-nisy ary nanampy tamin’ny fitondrana ireo naratra tany amin’ny hôpitaly.

 

Lozam-pifamoivoizana fahatelo namoizana ain’olona betsaka tamin’ity herinandro ity ! Ary izany dia vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily, noho ny fandehanana mafy loatra.  Efa manomboka indray tokoa mantsy izao ny vanim-potoana mahabe olona mandeha fiara fitateram-bahoaka mivoaka kely ny toerana misy azy. Hany ka entanin-kamehana ireo mpamily handeha mafy, hanenjika « tour » sitrany ahay ! Saingy izay « sitrany ahay » izay foana anefa matetika no vidina lafo ary mazàna ireo mpandeha no mibaby ny vokany mafaitra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici