Aina roa no indray nafoy omaly sy tamin’ny alahady lasa teo, vokatry ny fifandonana nisy teo amina môtô sy fiara. Ny iray tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, ny alahady lasa teo. Ary ny faharoa kosa tetsy amin’ny Digue Andranomena, omaly atoandro.
Raha iry voalohany dia fantatra fa môtô roa no indray nifandona tamina fiara kely iray, am-polony kilaometatra monja tsy hiditra an’Ambatolampy. Irony kodiaran-droa matanjaka mpanao fifaninana na ilay antsoina hoe « Bol d’or » irony, nitondra olona ny iray tamin’ireo môtô. Môtô « Scooter » kosa ny iray tamin’ireo niharan-doza, izay nitondra olona roa ihany koa. Samy naratra mafy avokoa ireo mpitondra môtô ireto saingy ireo nitaingina ilay « bol d’or » no tena voa mafy. Raha ny fampitam-baovao azo dia namoy ny ainy omaly ilay mpitondra azy. Ireo olona telo hafa kosa dia mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hôpitaly any an-toerana. Fiara iray nifanena tamin’izy ireo, nisongona fiara kely teo alohany no nahatonga ny loza, raha ny vaovao azo.
Fa mbola lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona hatrany no nitranga indray tetsy amin’ny Digue Andranomena omaly atoandro. Ireny karazana môtô « routier » ireny indray no nentin’ity tovolahy manodidina ny 20 taona any ho any. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso dia ity farany indray nisongona fiara teo alohany, tany amin’ny hakavian-dalana. Nipoitra tampoka avy any tsy tazany akory anefa ny fiara fitateram-bahoaka iray. Samy nandeha mafy izy ireo tamin’io fotoana io. Voafaoka ary nipitika teny amin’ny fitaratra alohan’ilay fiara ilay tovolahy nitondra ilay kodiaran-droa, avy eo nitsirara nihosin-drà teo am-povoan’arabe. Nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana saingy tsy avotra intsony ny ainy. Ny môtô nentiny kosa niafara avy hatrany tany ambanin’ilay fiara.
m.L