- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Tambajotran-jiolahy mpanakan-dàlana, ravan’ny zandary

RN7 : Tambajotran-jiolahy mpanakan-dàlana, ravan’ny zandary

Ela nitoratorahana. Andian-jiolahy, efa rain-dahiny amin’ny fanakan-dalana eny amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny no voasambotry ny zandary, raha nikasa ny hanantanteraka ny asa ratsiny izy ireo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Antsetsindranonintaolo, telo kilaometatra miala an’Ambohimandroso, raha hizotra hianatsimo no tafalatsaka tao anatin’ny haraton’ireo mpitandro filaminana ireto olon-dratsy  11 ireto. Araka ny fampitam-baovao azo dia kamiô iray handeha hitodi-doha ho aty  Andrenivohitra no saika lasibatr’ireto tambajotrana mpanakan-dalana ireto, ny zoma vao mangiran-dratsy teo. Efa nisy vato sy hazo be rahateo, nataon’ireo olon-dratsy nanakanana ny lalana. Afaka soa aman-tsara teo amin’ireo sakana ihany anefa ity fiarabe ity. Ity farany nony avy teo no nampandre ireo zandary tao Ambohimandroso. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary, izay nandeha kamiô ihany, entina hanjonoana ireo olon-dratsy. Ary dia tafalatsaka tao anaty harato tokoa ireto farany. Noheverin’izy ireo tokoa mantsy fa fiara voasakana ity tafajanona ity, koa dia nivoaka tany anaty lobolobo niafenany tany avokoa izy rehetra saika hanao ny fanaony. Kanjo efa zandary marobe no niandry. Nitsoaka avy hatrany izy ireo saingy raikitra ny fanenjehana. Olona 11 no voasambotra tamin’izany, izay samy mbola nahitana fitaovam-piadiana avokoa tany amin’izy ireo. Ny maraina, mbola nitohy ny hazalambo ka nisy naman’ireto mpanakan-dalana ireto,  enina indray voasambotry ny zandary. Anio no fantatra fa hatolotra ny Fampanoavana ao Ambatolampy ireto jiolahy mpanakan-dalana ireto. Etsy andanin’izay dia tsy mitsahatra ny mamerimberina ireo mpitandro filaminana, ny amin’ny tokony hanarahan’ireto mpampiasa lalàna ny toromarik’izy ireo, indrindra fa ireo mpandeha alina, ho fitandroana ny ainy sy ny fananany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici