Hatramin’ny fotoana izay nanoratana omaly dia mbola tapaka ny lalam-pirenena fahafito izay mifanandrify amin’Ambatofotsy. Ny antony dia satria nanenika ny arabe ny rano avy amin’ny sisiny roa izay tanimbary. Mazava hoazy fa vokatry ny rotsak’orana omaly teny an-toerana no nitarika ny ranobe hiakatra an-tanety. Samy niandry na ny avy any atsimo izay hiakatra eto an-drenivohitra na ny ho any atsimo. Nijanona avokoa ky fiarakodia rehetra tsy an-kanavaka ary na ny « manam-pahaizana » amin’ny fisongosongonana isan-karazany aza dia tsy sahy niroboka fa niandry ny fidinan’ny rano na niverina. Mbola vao rotsak’orana faharoa tamin’ny taona ity nitranga omaly ity dia efa tapaka ny làlam-pirenena. Manahy ny maro rehefa hoavy ny vanim-potoanan’ny rivodoza izay efa mananontanona…
D.R