- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Taxi-brousse nifandona tamina « citerne », olona enina maty

RN7 : Taxi-brousse nifandona tamina « citerne », olona enina maty

Nandriaka indray ny rà, tamin’iny làlam-pirenena fahafito iny, ny harivan’ny alarobia teo. Fiara roa, taxi-brousse, zotra mampitohy an’i Sakaraha sy Manombo, no nifandona tamina fiarabe  ana orinasa mpitrandraka any an-toerana. Vokany, olona enina no namoy ny ainy.

Teo amin’ny lala-mahitsy misy ny valan-javaboaharim-pirenenen’i Zombitse, miala kely an’i Sakaraha no nitranga ny loza. Araka ny fampitam-baovaon’ny namana avy any an-toerana, dia fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Raha ny fanazavana azo tokoa mantsy, dia sady mahitsy no malalaka ny làlana. Somary misy fidinana izay anefa amin’iny ampahan-dalam-pirenena fahafito iny ; izay sady tsy ahitana mihitsy izay fiara mifanena. Vinavinaina ho izay  no antony nahatonga ny  loza. Marihana, fa avy any Sakaraha, handeha hitodi-doha hianavatra hihazo an’i Manombo ity taxi-brousse ity. Fiara marika « Peugeot 504 bâché ». Ilay fiarabe mpitondra rano kosa handeha hihazo an’i Sakaraha, misy ny toby famaharan’ilay orinasa mpitrandraka. Mafy dia mafy tokoa ny fifandonana satria, ilay fiarabe dia nivadika mihitsy ary nipitika teny amin’ny sisin-dalana, niala lavitra ilay toerana nifandonany ilay taxi-brousse. Enina tamin’ireo mpandeha tamin’ireo fiara ireto no namoy ny ainy teo ho eo. Ny sasany aza, raha ny vaovao hatrany dia mbola nosokirina tao anaty karaom-by an’ilay fiara. Maromaro ihany koa ireo naratra ; izay mbola misy miady aman’aina, araka ny vaovao hatrany. Ireto farany moa izay nentina avy hatrany namonjy toeram-pitsaboana. Efa nidina teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa no sady nanokatra fanadihadiana ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny.

m.L / Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici