Aina roa indray no nafoy tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, ny sabotsy maraina lasa teo, vokatry ny fivadihana taxi-brousse iray. Ankoatr’ireo olona roa maty ireo dia fantatra fa nisy olona fito no naratra mafy. Ny telo amin’izy no mbola tsy nahatsiaro tena tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza.
Tokony ho tamin’ny enina maraina teo no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ity, teo amin’ny PK 315+50, toerana antsoina hoe Ampamarinana, fokontany Ambohipihaonantsoa (Camp Robin). Taxi-brousse « sprinter », ao amin’ny kaoperativa « Trans Tsy Tara » ary mampitohy ny distrikan’Ihosy amin’ny renivohitra. Avy aty Andrenivohitra ity fiara fitateram-bahoaka ary handeha hianatsimo. Raha niala kelin’ilay tanànan’i Camp Robin ilay fiara no nanomboka ny olana. Tsy voatan’ny mpamily intsony ny familiana raha tao anaty fiolahana izy ireo. Mazava ho azy fa somary nandeha mafy ilay fiara tamin’izay. Vokany, rehefa avy nikivilavila ilay fiara dia nidona mafy tamina andrin-tany teo amin’ny sisin-dalana. Taorian’io no nivadika sy nandry tamin’ny sisiny. Vehivavy iray 66 taona sy lehilahy 42 taona, isan’ireo mpandeha tao anatin’ity fiara zotra nasionaly ity no namoy ny ainy avy hatrany. Isan’ireo naratra mafy tsy nahatsiaro tena kosa ny mpamily, niaraka tamin’ireo olona roa hafa. Ireto farany moa dia samy nezahana haingana nalefa tany amin’ny hôpitalibe tao Fianarantsoa. Ireo naratra hafa kosa, dia nisy nampakarina taty An-drenivohitra ary nisy ireo najanona notsaboina tao amin’ny CSB II tao Camp Robin ihany. Efa tonga teny an-toerana nanatanteraka ny fanadihadiana ifotony moa ireo zandary any an-toerana, ary namerina tamin’ny laoniny ny fifamoivoizana, izay nitohana tanteraka tamin’iny lalam-pirenena iny.
m.L