- Publicité -
dimanche, août 10, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN7 : Taxi-brousse Sprinter nivadika: mpandeha roa maty, sivy naratra

RN7 : Taxi-brousse Sprinter nivadika: mpandeha roa maty, sivy naratra

RN7Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin’ny lalàm-pirenena fahafito iny ny alin’ny talata 23 aogositra lasa teo. Sprinter iray no nivadika ka namoizana ain’olona roa sy nandratràna olona sivy hafa. Manodidina ny tamin’ny sivy ora sy sasany alina tany ho any no any no nitrangan’ny loza, tao Bemasoandro, anelanelan’Ankelivozona sy Sambaina, ao anatin’ny Kaominina ambanivohitr’Ambohibary Sambaina, distrikan’Antsirabe I. Raha ny fantatra dia « taxibrousse » nitondra mpandeha avy aty an-drenivohitra hihazo ny distrikan’i Fianarantsoa ity niharan-doza ity. Tonga teny an-toerana nanao ny « constat » avy hatrany ny mpitandro ny filaminana ka taorian’ny fanadihadiana natao dia fantatra fa fandehanana mafy niampy tsy fitandremana avy amin’ny mpamily no nitarika ny loza. Voalaza mantsy fa niala ny làlana tokony nalehany ilay Sprinter vokatry ny fandehanana mafy. Nipoaka ny kodiarana anoloana taorian’izay ary dia nivadika ambony ambany ilay fiara. Tafatodika nianavaratra toy ny mitodi-doha hiverina ho aty Antananarivo mihitsy izany vao tafajanona. Vokany : vehivavy iray, 39 taona, maty tsy tra-drano noho ny hamafin’ny dona nahazo azy. Vehivavy hafa, 54 taona, koa namoy ny ainy fotoana fohy taorian’ny nahatongavany teny amin’ny hopitaly tao Antsirabe. Mpandeha sivy hafa ihany koa, izay marihina fa zaza ny iray, no naratra vokatr’ity loza ity ka ny fito amin’izy ireo no voalaza fa tena tahorana mafy ny ainy. Efa naterina eny amin’ny hopitaly avokoa ireo olona naratra rehetra hahazo ny fitsaboana sahaza azy, ary ireo razana dia efa nalain’ny fianakaviany tsirairay avy. Ilay mpamily kosa dia notazonina eny amin’ny biraon’ny zandary eny Sambaina hanaovana famotorana.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici