- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Taxi-brousse telo tratra nitondra olona an-tsokosoko

RN7 : Taxi-brousse telo tratra nitondra olona an-tsokosoko

Noraisim-potsiny! Mbola misy hatrany ireo mafy loha minia mandika ireo fepetra efa noraisin’ny Fanjakana, hiadiana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina. Tetsy amin’ny sakana, manasaraka ny faritra Analamanga sy Vakinankaratra dia taxi-brousse telo be izao, izay mikasa hihazo an’iny faritra Matsiatra Ambony iny no saron’ireo zandary, mbola nitondra mpandeha avy aty Analamanga, omaly. Araka ny fampitam-baovao azo dia mampiasa tetik’ady ireto fiara mpitatitra ireto, satria rehefa alohan’ny hiditra ny sakana dia ampidinin’izy ireo ireo mpandeha ary asainy mandeha tongotra anaty ala. Rehefa samy afaka ny sakana dia raisin’izy ireo indray ao aloha ao. Efa mailo tamin’izany teti-dratsy izany ireo mpitandro filaminana ka notratrarina ka dia izao noraisim-potsiny izao ny fiara mpitatitra miisa telo be izao. Nogiazana avokoa moa ireto fiara ireto ary avy hatrany dia nampidirina am-balam-pamonjana. Nosintonina kosa tetsy andanin’izay ny fahazoan-dalana mamily ho an’ireo nitondra izany fiara izany. Tetsy andanin’izay kosa, voalaza fa nitsoaka toy tsy teo avokoa ireo mpandeha sasantsany tao anatin’ireo fiara ireo. “Aza iniana haparitaka ny aretina” hoy ireo mpitandro filaminana. Raha mbola maro ireo minia manao mafy loha dia tsy maintsy henjakenjana ihany koa ny sazy hampiharina amin’izy ireo. Eto ihany koa dia mampitandrina ireo taxi-moto ireo mpitandro filaminana, ho an’ireo izay mikasa handika sakana, fa dia ho mafy dia mafy tokoa, hoy izy ireo ny sazy hiandry azy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici