Niainga avy any Ambovombe (faritra Androy) ny fiara fitaterana ary nizotra ho aty an-drenivohitra. Nandalo teo amin’ny mifanandrify amin’ny fokontanin’i Soanatao (Ambohimahasoa) no nisy andian-jiolahy mirongo basy sy famaky, izay nanakana ny fiara, ny marainan’ny alakamisy manodidina ny tamin’ny iray ora. Herisetra avy hatrany no nataon’ireo. Dimy tamin’ireo mpandeha no naratra vokatr’izany ary vola manodidina ny dimy tapitrisa no lasa, ankoatra izay entana nety tamin’ireo olon-dratsy. Mitontona tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra ity fanafihana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito ity. Mazava ho azy fa mampitaintaina ny mpanao vakansy indray ny fisian’ilay tranga. Tamin’ity fandrobàna ity dia nalain’ireo jiolahy avokoa ny vola teny amin’ny mpamily sy ny mpandeha sasany ary nopotehin’ireo ny fitaratry ny fiara iray manontolo.
D.R