- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Taxi-brousse voatafika, lasa ny entana,voatataka « lame » ireo mpandeha

RN7 : Taxi-brousse voatafika, lasa ny entana,voatataka « lame » ireo mpandeha

Raha vao tamin’ny herinandro iny, no tra-tehaky ny zandary, ny andian-jiolahy mpanakan-dàlana eny amin’iny lalam-pirenena fahafito iny, dia ny  alarobia alina teo indray no nisy trangam-panafihana teo Ambatofitorahana, kilaometatra vitsy tsy hiditra an’Ambositra. Taxi-brousse telo no indray niharan’ny fanafihana tamin’ity indray mitoraka ity, saingy ireo mpandeha tao amin’ilay taxi-brousse voalohany no tena lasibatra. Araka ny fampitam-baovao avy tany an-toerana, dia nobahanan’ireo olon-dratsy ny làlana. Nahita izany ireto fiara telo nitandahatra, dia saika hihodina hiverin-dàlana. Sendran’ny sampona anefa ilay voalohany ka tafahitsoka tanaty lavaka. Teo no nohararaotin’ireo olon-dratsy notafihana. Lasan’ireo olon-dratsy ny entana rehetra sy ny vola tany amin’ireo mpandeha, tsy vitan’izay fa mbola noratrain’ireo mpanafika tamin’ny zava-maranitra ihany koa ny sasantsany tamin’ireo mpandeha. Ilay fiara faharoa kosa afaka, voatoraka tamin’ny vato, saingy afa-nitsoaka ihany. Tsy naninona kosa ilay fiara fahatelo, raha ny fampitam-baovao avy tany an-toerana hatrany. Nampandrenesina avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana ary tonga teny an-toerana nanao ny savahao ny manodidina, sy ny fikarohana ireo olon-dratsy. Nentina notsaboina kosa ireo mpandeha naratra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici