- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Taxi-brousse voatafika, olona enina naratra, an-tapitrisany ny very

RN7 : Taxi-brousse voatafika, olona enina naratra, an-tapitrisany ny very

Taxi-brousse iray no niharan’ny fanafihan-jiolahy, ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo teny amin’ny lalam-pirenana fahafito iny, raha niala kely ny tananan’Ambohimahasoa. Vokany, olona enina no naratra ka ny roa amin’izany no tena voa mafy, anisan’ireo ny mpamily. Vola an-tapitrisany maro kosa no lasan’ireo olon-dratsy. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana, dia taraiky fiaingana ity taxi-brousse mampitohy an’Ihosy sy ny Renivohitra ity, ny alarobia hariva teo. Kanefa mbola nikiribiby ny nandeha ihany, eny fa na dia efa lasa lavitra aza ireo namany tokony hiara-dia taminy, amin’ny lahara-manjohy. Efa misasaka ny alina no niditra ny tanan’Ambohimahasoa izy ireo, saingy mbola tsy nahenjika ireo namany ihany ity taxi-brousse ity, izay voatery nandeha irery. Kilaometatra vitsivitsy niala ny tanana izy, tao anatin’ny lalan-dratsy no sendra ny patsa iray tsy omby vava. Vatan-kazo lehibe sy vato maromaro no nisakana ny arabe. Nijanona ary saika hivily hiverin-dalana hamonjy tanana ity fiara ity no nisy nikapa tamin’ny famaky avy  tany ivelany ny tanan’ilay mpamily. Tsy afa-nihetsika avy hatrany ny fiara ary am-polony ireo olon-dratsy, nirongo langilangy sy zava-maranitra, nandrahona sy nidaroka ireo mpandeha. Voaroba avokoa ireto farany, tsy nisy niangana. Fantatra ihany koa fa nisy olona vao avy nahalafo tany sy nitondra volabe tao amin’ity fiara ity, izay voaroban’ireo malaso. Hatramin’ny entana tany ambony tafo aza, mbola nampidinin’ireo jiolahy, raha ny vaovao hatrany. Lasa nitsoaka avy hatrany izy ireo raha vao vita ny asa ratsiny, izay vao afaka niantso vonjy izy ireo. Tonga teny an-toerana hatrany ireto farany, notarihan’ny tompon’andraikitra voalohany mifehy iny faritra iny. Nandeha avy hatrany ny fikarohana sy ny savahao ny manodidina. Tato ho ato dia saika nisesisesy ny fanafihana teo amin’io ampahan-dalana ratsy eo io. “Fepetra raisinay foana ny tsy famelàna ireo taxi-brousse handeha irery amin’ny alina. Asainay mijanona fotoana maharitra mihitsy aza ireny hiandry ny namany, saingy mazàna dia ireo mpandeha no mafy loha sy miady amin’ireo mpitandro filaminana. Kanefa dia noho ny fiarovana ny ain’izy ireo sy ny fananany no anton’izany” hoy ity tompon’andraikitry ny zandary ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici