Andian-jiolahy mirongo basy no nanafika taxi-brousse iray, ny marainan’ny sabotsy teo, teny Ambohimahasoa. Efa nisy enina voasambotry ny zandary.
Nirefodrefotra ny basy. Aina iray no nafoy, telo naratra mafy, ary lasa avokoa ireo entana sarobidy sy vola tany amin’ireo mpandeha. Izay no vokatry ny fanakanan-dàlana nataon’ andian-jiolahy mirongo fiadiana mahery vaika, ny sabotsy vao mangiran-dratsy teo, tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho tany, tamin’iny làlam-pirenena fahafito iny, teo amin’ny toerana antsoina hoe, Andranomiadiliha eo amin’ny fokontany Ambatoharanana, 8 kilaometatra, miala an’i Vohiposa. Taxi-brousse, an’ny kaoperativa Soatrans, handeha hitodi-doha any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny ity lasibatry ny jiolahy ity. Araka ny fantatra hatramin’izay, dia tsy maintsy mitandahatra ireo fiara voatery handeha alina amin’ireo làlam-pirenena, indrindra fa amin’iny RN7 iny. Ity fiara « sprinter » ity anefa, araka ny tati-baovao avy amin’ny zandary, dia isan’ireo fiara tratra aoriana ka tsy tafaraka tamin’ny « convoi » tokony hisy azy. Voatery nandeha irery araka izany ity farany. Nony tonga teo amin’ny PK 330 io anefa, dia tsikaritry ny mpamily ny fisiana sakana teo amin’iny làlana iny. Mailo avy hatrany izy ka saika saika hiverina kanjo nisy tsy fetezana tampoka ka maty ny fiara. Nanomboka teo ny tifitra variraraka avy tamin’ireo olon-dratsy, izay efa nitampify teny amin’ny sisin-dàlana. Ny mpamily no saika avy hatrany dia nokendren’izy ireo, hoy ny vaovao, saingy nisolifatra ny bala, ka nahazo ny mpandeha iray nipetraka taorian’ity farany. Maty tsy tra-drano ity farany, izay fantatra araka ny fanadihadiana taty aoriana, fa polisy miasa any amin’iny faritra Toliara iny. Nisy tamin’ireo mpandeha kosa, vokatry ny tifitr’ireo olon-dratsy hatrany no naratra. Telo izy ireo ka ny iray tamin’izany no tena voa mafy. Nanararaotra izany ireo olon-dratsy ka nandroba tsy nisy anavahana ireo mpandeha rehetra. Naka izay azony nalaina sy zava-tsarobidy teny amin’ireto farany : vola, entana, firavaka, sns. Tao anatin’izany kosa, vao nahare ny fisian’ity fanafihana ity ireo zandary ao amin’ny poste avancé ao Vohiposa, dia nandeha avy hatrany. Nandositra avy hatrany ireto olon-dratsy raha vao nahita ireo zandary. Raikitra ny fanenjehana ka nisy olona enina nosamborina ka ny roa tamin’ireo no ahiahiana mafy ho isan’ireo mpanafika, ary efa mandeha ny fanadihadiana. Raha ny mikasika ireo naratra kosa, dia fantatra fa nalefa any Fianarantsoa. Napetraka ao amin’ny hôpitaly tao Camp Robin kosa ny vatana mangatsiakan’ilay namoy ny ainy
m.L