- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversRN7 : Toaka gasy 200 litatra, nezahina nafenina tanaty gonin-tsaribao

RN7 : Toaka gasy 200 litatra, nezahina nafenina tanaty gonin-tsaribao

Saika haparitaka sy halefa aty an-drenivohitra ireto toaka voarara ireto no sarona tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, teo amin’ny sakana nataon’ny zana-tobim-paritry ny zandary teo Behenjy. Nambaran’ny fampitam-baovao teo amin’ny pejin’ny tambajotra sosialin’ny zandary avy ao amin’ny vondro-tobim-pileovana vakinanakaratra : « saron’ny zandary avy ao amin’ny poste avancé behenjy, tarihin’ny Gphc Satahasimbola Gaëtan sy ny zandary feheziny, ny « toaka voarara » tao anaty bidons 20 litatra miisa 10 noentin’ny fiara mpitatitra olona iray raha nikasa hihazo an’Antananarivo ». Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa nezahin’ireo tompony nafenina tao anaty gony misy saribao izany toaka gasy tamin’ny bidon izany, saingy noho ny fanomezam-baovao azon’ireto mpitandro filaminana dia tra-tehaka ihany anefa izany. Mazava ho azy, araka ny lalàna manankery dia azo henjehina tokoa ny tompon’izany entana izany, izay tsy maintsy hanefa ny lamandy mahakasika ny fitondràna sy ny fanaparitahana ireto toaka voarara ireto. Ny fiara sy ny mpamily nitondra azy kosa, raha ny voalazan’ny vaovao dia efa hanokafana fanadihadiana sy nampidirina am-balam-pamonjana avy hatrany. Ny toaka moa, raha ny voalazan’ny lalàna hatrany dia miandry ny fanapahan-kevitry ny fitsaràna ny amin’ny fotoana tokoa hanapotehina sy handoroana izany.

Tiana ihany tokoa ny mampatsiahy fa mbola manankery hatrany ny lalàna, izay mandrara ny famokarana, fivarotana, ary fitondràna izany toaka voarara izany eto amintsika. Eny, fa na dia eo tokoa ilay tolo-dalàna laharana 03-2019/PL, izay natolotra sy lany teo anivon’ny antenimieram-pirenena ny 16 juin 2020, mahakasika ny famelàna malalaka ny famokarana, fivarotana ary fitondràna izany toaka gasy izany. Ity farany izay marihana fa tsy maintsy mandalo dingana maromaro alohan’ny fampiharana azy. Ka ao anatin’ireo dingana ireo ny fandaniana izany eny anivon’ny Antenimieran-doholona izay nitsipaka izany tolo-dalàna izany, nandritry ny fivorian’izy ireo ny 22 jona lasa teo.  Araka izany « mbola tsy misy ny lalàna mamela malalaka ny « toaka voarara ». Fantatr’ireo mpanao asa antsokosoko rahateo izany. Izany no antony hanafenana mafy ny fitaterana azy, saingy mbola isaorana ireo mametraka fitokisana ny Zandarimaria izay mbola manao ny asa voatondron’ny lalàna ihany koa » hoy hatrany ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici