Isan’ny kaominina matetika lasibatry ny doro tanety ny ao Vinaninkarena ao, indrindra ny faritra manamorona ny lalam-pirenena faha 7 iny. Vao tamin’ny alahady teo izao no nisy ampahan’ala tao amin’ny fokontany Ankarinomby Ambatolahy, may noho ity resaka doro tanety ity. Fantatra fa tena tandrevaka avy amin’ny afo mihitsy no nahamay ny lohasaha sy havoana ao Vinaninkarena ao. Isan’ireo tondron’ny fokonolona ho tompon’andraikitra amin’ity fandoroana ny ala ity ny afitsok’ireo mpiandry omby izay mahandro sakafo any an’ala sy manatono sakafo. Matetika ny afon’izy ireny no mahatonga ny doro tanety misesisesy. Ankaotra izay, fantatra fa isan’ny mahatonga ny doro tanety ihany koa ny afon-tsigaran’ireo olona mandeha taxi brousse rehefa maka rivotra ka manipy ny vodin-tsigara mbola mirehitra. Manolona ity doro taneny nisesisey tao amin’ny kaominina Vinaninkarena ity dia nidina teny ifotony ny ekipan’ny DRED eto Vakinankaratra ny alarobia 23 septambra teo nanentana ny fokonolona hiady amin’ity doro tanety ity. Nitarika ny delegasiona ny talem-paritry ny tontolo iainana eto Vakinankarena Rtoa Tojo Ratefason. Nampahatsiahivin’ity farany fa mety hamonjana 5 ka hatramin’ny 10 taona ny fandorana tanety ka tokony hitandrina ny tsirairay, efa ripaka rahateo ny ala eto Antsirabe sy ny manodidina ka ho hentitra ny DRED amin’ny fampiharana ny lalàna. Efa nisy rahateo, hoy Rtoa Tale, ny fampiharana dinan’i Vakinankaratra amin’ity resaka doro tenety ity. Ho an’ny ao Ambatolahy manokana dia nandray fepetra ny DRED fa tsy afaka hiditra ao amin’ny fokontany intsony ireo mpiandry omby raha mitondra afokasoka na briquet, tsy azon’ireo mpiandry omby avy any ivelany atao koa ny miditra ao Ambatolahy mandritra izao main-tany izao mba ho fisorohana ny doro tenety.
Andry N.