- Publicité -
dimanche, octobre 26, 2025
AccueilFaits-DiversRN9-Andranovory : Taretra halatra 600 kg saron’ny zandary mpanao « barrage »

RN9-Andranovory : Taretra halatra 600 kg saron’ny zandary mpanao « barrage »

Fiara Mazda mpitatitra olona ho any Toliara no nosakanan’ny zandary mpanao « barrage » eny amin’ny Lalam-pirenena faha-9 (RN9) tao Andranovory omaly maraina tamin’ny 10 ora. Rehefa nosavaina io fiara io dia nahitana taretra amin’ny fehezany marobe  ka nahatonga ireo mpitandro ny filaminana hisava ny taratasy momba io entana io. Hit teo fa tsy nanana taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny kaomininana io taretra io. Lehilahy iray antsoina hoe Dadatoa moa no voalaza fa nitondra izany entana izany izay milanja hatrany amin’ny 600 kg mahery avy any amin’ny tanàna atao hoe Ambatovanda, fokontany sy kaominina Andranovory ihany. Monina ao Antranokaky fokontany sy kaominina ambanivohitra Vineta izy. Namabarany fa taretra novidiny tsikelikely tao Antranokaky ireo ary ho entiny hamidy any toliara. Rehefa nanontaniana ny ben’ny Tanàna ao Andranovory dia nilaza fa tsy ara-dalana ny fanondranana taretra avy ao Ambatovanda satria sinoa no tompony ary halatra avokoa ireo taretra mivoaka avy ao. Manoloana izany dia nampidinina teny ambony fiara ireo entana ary nigiazana ao amin’ny kaominina Andranovory. Mitohy ny fanadihadiana.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici