Vokatry ny toaka sy tsy fitandreman’ny mpamily alaim-panahy handeha mafy, satria vita « terrassement » ny làlana amin’ny RN9, dia lozam-pifamoivoizana efatra be izao namono sy nandratra olona ary nahasimbana fananana no nitranga tamin’izany, ny alatsinain’ny paska teo. Raim-pianakaviana iray 39 taona mamo nandeha mafy tamin’ny moto nentiny no maty tsy tra-drano nidona tamin’ny takela-bato amoron-dàlana tany Madiorano Toliara II. Vaky ny lohany ary niparitaka tamin’ny tany ny atidohany. Handeha hody any Ankililoaka ity lehilahy ity izao tra-doza izao, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Naratra mafy kosa ilay tovolahy 27 taona nentiny ; izay mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao.
Mamo, nifanenjika. Môtô nanao taingim-be nifanenjika nianjera nandratra ankizivavy 4 taona tao Antaravay kaominina Ankilimalinike Toliara II. Noho ny ratra mafy nahazo azy dia mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny efitra famelomanaina ao amin’ny hopitalibe Toliara ity zaza ity. Kamiao iray nitondra mpitsangantsangana vao maraina ho an’i Madiorano nandeha mafy nanitsaka osy 17, tao amin’ny fokontany Belavenoke kaominina Milenake. Maty avokoa ireo biby. Ary fiarabe taksiborosy handeha hody hariva mbola nandeha mafy ihany koa nanitsaka omby, ka maty tsy tra-drano teo.
Eric Man