- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversRoa andron’ny Akany Rangaina : Hisy ny fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana

Roa andron’ny Akany Rangaina : Hisy ny fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana

Toy ny fanao isan-taona, dia hotanterahina ny sabotsy sy alahady ho avy izao, ny fankalazana ny roa andron’ny Akany sosialy eny Rangaina. Hatomboka amin’ny fanompoam-pivavahana ny sabotsy, araka ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitra. Hetsika maro isan-karazany no ho hita eny an-toerana mandritra io roa andro io, toy ny varotra fampirantiana isan-karazany, kilalao maro, lalaom-panantanjahantena samihafa, ary ny tsakitsaky sy ny sakafo tsy hadino. Ary toy ny isan-taona hatrany, dia hisy ihany koa ny fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana amin’io fotoana io. Ny alahady kosa no hamaranana ny fotoana amin’ny fanompoam-pivavahana arahana fandraisana. Raha ny fantatra hatrany, dia efa manomana fiara hiraisana ireo mpikarakara ho an’ireo handeha, izay raisina etsy Andravoahangy, ny marain’ny sabotsy amin’ny fito ora sy sasany. Manantena ny fahatongavan’ny rehetra maro araka izany ireo tompon’andraikitra mba ho avy eny Rangaina, amin’io fankalazana ny roa andron’ny Akany sosialy io.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici