- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Roa lahy mpamaky trano voasambotry ny fokonolona

Ambohimanarina : Roa lahy mpamaky trano voasambotry ny fokonolona

Teo am-pikenokenonana ny hanao ny asa ratsiny mihitsy izy roa lahy ireto no voapaingotry ny pôlisy, rehefa tra-tehaky ny andrimasom-pokonolona teny amin’iny faritra Antanety Avaratra, tetsy Ambohimanarina iny, omaly tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any. Mbola azo lazaina fa mbola tanora avokoa izy roa lahy ireto, satria dia 20 sy 27 taona,  izay tsy afaka nankaiza intsony rehefa voahodidina. Araka ny fanazavana nomen’ny pôlisim-pirenena, « naharay antso avy amin ‘ireto farany ny Polisimpirenena mpanao fisafoana izay nilaza fa misy lehilahy roa tsikaritr ‘ izy ireo nitsofoka ao amin ‘ny faritry ny tokantrano iray eny amin ‘ ny manodidina. Tsy niandry ela ireo tomponandraikitra fa namonjy ilay toerana voalaza. Taorian ‘ny fanaraha -maso natao dia tratra ambodiomby ary tsy nahahetsika teo ampikonokononana izy roa lahy ». Marihana fa manoloana ny tranga firongatry ny tsy fandriampahalemana amin’izao dia misy hatrany ny fiaraha-misalahin’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriboritany fahenina, amin’ny vaomieran’ny Fandriampahalemana eny amin’iny toerana, ka izao nahitàm-bokany izao. Izy roalahy ireto izay efa karazan’ireo raindahiny amin’ireo tontakely, nampitondra faisana teny amin’iny faritra iny amin’ny resaka vaky trano. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy moa izy ireo, hanaovana fanadihadiana. Nasaina nametraka fitoriana kosa ny ireo olona niharan’ny asa ratsy, hafahana manokatra ny famotorana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici